Actualités

Mpivarotra amoron-dalana Haverina any amin’ny Fokontany niaviany


  • Alakamisy 11 Febroary 2016

Tsy maintsy handraisana fepetra avokoa ireo mpivarotra amoron-dalana rehetra eto an-drenivohitra mba hananana tanŕna milamina sy mirindra.

 

Manerana ireo Boriborintany enina mihitsy no hampiharana izany, fandaminana hiarahana amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ho an’ny Boriborintany fahefatra manokana, hoy Ratsimbarison Herifidy  dia efa miomana amin’ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana izy ireo. Amin’ny herinandro ho avy io raha ela  indrindra dia hanomboka ny asa izy ireo aorian’ny fandaminana hiarahana amin’ny lehiben’ny tsena sy ny sefom-pokontany ary ny BMH sy ny polisy monisipaly. Paik’ady raisin’izy ireo ny fakana ny fanamarinam-ponenan’ireo mpivarotra hahafahana mamerina azy any amin’ny Fokontany niaviana hanohy io asa fivarotana imasoany io. Tanjona ny hanamaivanana ireo mpivarotra amoron-dalana eto an-drenivohitra, ankoatra ny fampidirana azy ireo ao anatin’ny ara-dalàna. Ho an’ireo mpivarotra  mbola minia manohy izany ihany moa aorian’ny fanalana azy dia hisy ny fampitandremana izay hitohy avy hatrany amin’ny fandraofana ny entany raha toa ka mbola mafy loha izy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT