Actualités

Mpivarotra amoron-dalana Efa tafiditra any anaty tsena ny ankamaroany


  • Alakamisy 21 Janoary 2016

Efa tafiditra ao anaty tsena ara-dalàna toy ny tsenan’ny Petite Vitesse sy Pochard Behoririka avokoa ny ankamaroan’ireo mpivarotra amoron-dalana nalana teny Analakely sy ny manodidina

 

, araka ny fanazavan’Andriamampionona Romel,  tompon’andraikitra eo anivon’ny sampandraharahan’ny fampandrosoana sy ny varotra eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.  Saika olona efa manana tsena ara-dalàna avokoa mantsy  izy ireny, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity, saingy noho ny gaboraraka nisy teto amin’ny firenena tamin’ny taona 2009 dia nivoaka nanampy isa ireo tsy ara-dalàna teny amoron-dalana izy ireo. Vokany, lasa tsy  zatra nividy entana tany anaty tsena intsony ny mpanjifa fa voasarika teny amoron-dalana ihany koa. Ankehitriny, miezaka mamerina ny rehetra ho amin’ny ara-dalàna ny kaominina, hetsika izay tsy hijanona raha tsy tonga amin’ny tanjona napetraky ny mpitantana, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity. Ho an’ireo mpivarotra angady etsy Isotry dia nomarihiny manokana fa efa nanaiky ny hiditra ao amin’ny Petite Vitesse izy ireo,  izay  hampiditra mpivarotra miisa 300, toraka izany ihany koa ireo mpivarotra akanjo vitan’ny zone franche. Tsiahivina fa tsinjaraina any amin’ny tsenan’ny Coum, Anosizato, Isotry, Andravoahangy, akaikin’ny CSB II, Besarety, Analamahitsy, Namontana ary Andrianjaka Antaniavo ireo mpivarotra ambiny sisa tsy tafiditra.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT