Actualités

Mpivarokena ao Talatavolonondry Efa niverina nivarotra avokoa


  • Alakamisy 14 Janoary 2016

Efa niverina nivarotra nanomboka tamin’ny alatsinainy teo avokoa ireo mpivaro-kena ao amin’ny tsenan’i Talatavolonondry, rehefa nitokona nandritra ny roa andro.

 

 Antony, raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ireo mpivarokena ireo, dia tsy maintsy nirosoana izany noho ny fisian’ireo mpivarotra namany sasany manao izay vidin-kena mety aminy, hany ka mamono ny hafa. Nifandinika izahay samy mpivarotra, hoy izy ary nampitovy tadin-dokanga mba ho tombontsoan’ny rehetra. Vokany, napetraka ho 7 600 Ar ny iray kilao amin’ny henan’omby amin’izao any an-toerana raha nisy nanao mihoatra io mari-bola io sy latsak’io ny sasany teo aloha. 8 800 Ar kosa ny kilao amin’ny nofony sy ny totony raha 9 300 Ar ny iray kilao amin’ny nofon-kisoa. Marihina moa fa nentina teo anatrehan’ny Ben’ny tanàna any an-toerana mihitsy ny dinika nifanaovan’izy ireo, narahin’ny fiarahabana nahatratra ny taona ity mpitantana ny tanàna ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT