Miitatra hatrany amin’ny toby fiantsonan’ny taksibe ao amin’ny zotra G mihazo an’i Fenoarivo sy Ambatomirahavavy teo aloha ankehitriny ireo mpivaro-boninkazo etsy Anosy.
Antony, hoy Andrianelina Janvier, filohan’ny Voninkazo Aranty sy Ravak’Antananarivo ( VOARA) dia voafetra ho ana mpivarotra miisa 147 ihany ny toerana natokan’ny kaominina ho azy ireo manoloana ny hopitaly HJRA nefa mitombo hatrany ny taranak’ireo mpivarotra ary manohy ity asa ity. Ankoatra izay dia misy amin’ireo mpivarotra ireo no hakan’ireo mpiasan’ny kaominina ticket, mandoa vola ara-dalàna ka mahatsiaro ho manam-piaro dia tsy miala amin’ilay toerana na dia efa tsy izy intsony aza. Mikasika ny tsaho mandeha fa omena ny sehatra tsy miankina ny fitantanana ity tsenan’ny voninkazo etsy Anosy ity dia nanambara Andrianelina Janvier fa tsy tokony hisy izany satria toerana nangatahiny tamin’ny Ben’ny tanàna teo aloha Ramiaramanana Patrick io toerana misy azy ireo ankehitriny io.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.