Hotsaraina ny alakamisy 4 desambra ho avy izao, raha ny loharanom-baovao marim-pototra, ao amin’ny fitsarana ady heloka bevava ao Toliara, ireo olona enina voarohirohy izay notanana am-ponja vonjimaika hatramin’izao
tamin’ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana mpivady teratany Frantsay roa, hita maty tao amin’ny torapasika Andaboly, dia Johanna Delahaye, ny 15 aprily 2012, raha tany Belomanda Manombo, 57 km avaratry ny tanànan’i Toliara tao anaty ala honko ny nofo mangatsiakan’i Gérald Fontaine vadiny, herinandro taorian’io. Tsiahivina fa taorian’ny nahitana ny finday « Iphone »-n’ny maty niampy « carte bancaire » sy fitaovan’ny moto « quad » nentin’ilay vazaha namoy ny ainy, tamina raim-pianakaviana iray monina any Ankililoaka 70 km avaratr’i Toliara no niaingan’ny fikarohana ireo olon-dratsy, ka roa taona sy tapany aty aorian’ity vono olona nahatsiravina ity vao raikitra ny fitsarana an’ireo voarohirohy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.