Actualités

Mpitsara nitory mpikabary Hivoaka amin’ny 11 febroary ny didy


  • Alarobia 05 Febroary 2020

Omaly no niakatra fampanoavana tetsy amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy ilay raharaha mpitsara nitory mpikabary noho ny resaka tandra teny amin’ny tarehy.

 

Raha tsiahivina, tao amina  Akany iray eny Alarobia Amboniloha no niseho ny tantara, tamin’ny 14 desambra 2019, nandritra ny raharaham-panambadian’olona iray.  Nampiasa voambolana nahafinaritra Raharison José, ilay mpikabary nandritra izany ka anisan’ny noresahiny ny resaka tandra  izay nomarihiny manokana fa tsy noeritreretiny hanohintohinana  olona na dia iray aza. Nandritra izany anefa no nahatsiaro voadona ilay mpitsara ka nitory.  Omaly no nohenoin’ny Fitsarana  Raharison José sy ny mpiaro azy ary ny an-daniny izay mpitory. Fanapahan-kevitra noraisin’ny Fitsarana ny hamoaka ny didy amin’ny 11 febroary  ho avy izao. Nanambara Rtoa lehiben’ny Fitsarana fa hitsara tsy hiangatra  ity raharaha ity. Eo an-daniny mahatoky ny fahendren’ny Fitsarana Raharison José mpikabary sady manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana ny amin’ny tokony hijerena ny kolontsaina Malagasy izay mitady voatohintohina ihany koa ny fahalalahany.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT