Actualités

Mpitsara nifamono tao Toamasina Mangana ny iray, nifampitory ny roa tonta


  • Zoma 05 Febroary 2016

Niteraka olana goavana eo amin’ny samy mpitsara ny fanambarana nataon’ity mpitsara efa misotro ronono nanenjika ny namany am-perinasa sy namelively ireo namany mpitsara amin’ny fomba fiasany.

 

 Fantatra izao fa niainga teo anivon’ireo mpitsara sasany mbola am-perinasa tsy faly amin’ny ataona mpitsara namany, no niatombohan’ilay fanambarana samy nanana ny nandikany azy iny. Noho ity olana eo anivon’ny samy mpitsara arakaraka ny fiandaniany sy ny ankolafiny ity, dia naniraka ny sekretera jeneraliny ny minisitry ny fitsarana handamina ny raharaha sy hiaino ireo mpitsara mifanolana. Samy naneho ny alahelony tao amin’ny efitrano fivorian’ny fitsarana ambony ny an-daniny sy ny an-kilany. Anisan’ny voahenjika ity mpitsara iray mpikambana ao amin’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara ao Toamasina, izay narovan’ny ankolafiny. Taorian’ny fihaonana dia mpitsara roa no samy tezitra sy mbola nihazona ny alahelony, ka vao nivoaka ny efitrano fivoriana dia raikitra ny totohondry teo amin’izy roa lahy. Naratra teo amin’ny masony sy ny tarehiny ilay iray, izay mangana tanteraka.

Noho io ratra nahazo azy io, avy hatrany dia nanatona ny tale provinsialin’ny polisy izy nitory ilay nandratra azy. An-kilan’izay, milaza ny hitory koa ilay namely totohondry, noho ny fanalam-baraka natao azy imasom-bahoaka sy ny fidirana amin’ny fainany manokana, tamin’ny firaisana tsikombakomba tamin’ilay mpitsara efa misotro ronono nanao ny fanambarana.


Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT