Actualités

Mpitsara misotro ronono Nisy nikasa hamono tao an-tranony


  • Talata 09 Desambra 2014

Efa lasa lavitra ny tsy filaminana ao Toamasina nanomboka ny faran’ny herinandro teo. Araka ny vaovao marim-pototra voaray dia mpitsara manana grady voalohany misotro ronono monina ao

Toamasina no lasibatr’ireo jiolahy tao an-tranony ka naratra mafy sy may ny vatany manontolo. Raha ny fanazavana, hany mba azo nangonina, dia niditra tao an-tranony ireo jiolahy, tsy fantatra ny isany. Nanana fanalahidin’ny trano mitovy dika ihany koa ry zalahy, ary nidaroka avy hatrany ity mpitsara grady voalohany misotro ronono ity. Tsy vitan’izay fa mbola nodoran’izy ireo koa ny vatany manontolo, ka tena voa mafy ny lamosiny sy ny tanany ary ny tongony. Nodoran’ireo jiolahy avy eo ny lakozia nametrahan’izy ireo azy taorian’ny fampijaliana. Mitsabo tena eo anivon’ny hopitaly ao Toamasina ity mpitsara ity ankehitriny. Misokatra ny fanadihadiana.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT