Araka ny didy navoakan’ny HCC sy ny CENI dia nahazo filoham-pirenena vaovao isika, hoy ny mpahay lalàna Willy Razafinjatovo na Olala. Hita ho nisy fahamehana teo amin’ny CENI.
Nisy fitarainana avy amin’ny kandida 2 tonta saingy nolavina. Tsy mahay na inona na inona daholo ve hatramin’ny mpahay lalàna iraisampirenena toa an-dry Arlette Ramaroson ? Toy izany koa ry Faniry Ernaivo sy Hanitra Razafimanantsoa ? Ny HCC irery ve no mahay lalàna ? Tokony hasiana fandinihana ihany, hoy ity mpahay lalàna ity. Midika ireny didy ireny fa mbola ny tsy nety teo ihany no tohizana. Tsy izahay no namoaka ny valim-pifidianana fa ny vahoaka Malagasy, hoy ny filohan’ny HCC. Ny fanilihan’ny fitsarana andraikitra amin’ny vahoaka toy izany no tsy mahagaga amin’ny fisian’ny fitsaram-bahoaka. Mirary ny filoha vaovao hahatanteraka ny fampanantenany aho ary mangataka manokana ireo solombavambahoaka mba tsy hiala bala foana amin’ny fandaniana ny lalàna mikasika ny harena azo tsy ara-dalàna izay efa narirarira herintaona. Io lalàna io dia tokony holaniana maika satria hany afaka manakana ny rehetra tsy an-kanavaka tsy hangalatra. Na ny mpitsara aza voakasik’io. Tombony ho an’ny firenena koa satria hiverina any anaty kitapom-bolam-panjakana ireny harena azo tsy ara-drariny ireny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.