Actualités

Mpitsabo nentim-paharazana Voasakana ny fizarana medaly


  • Alarobia 14 Septambra 2016

Tsy sitrana akory ny ferin’ny fikambanam-pirenena mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara ( FMNPM) mikasika ny tsy namelana azy ireo hankalaza ny andro Afrikana nentim-paharazana saika natao tao

Mahajanga ny 31 Aogositra lasa teo dia tsy nanaiky ny hizarana mariboninahi-pirenena ho an’ireo mpikambana miisa 40 voakasik’izany indray ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tarihin’ny minisitra Andriamanarivo Lalatiana. Tokony ho omaly alarobia anefa no nanatanterahana ny lanonana mifandraika amin’izany tetsy Anosy izay tokony ho nifanindran-dalana tamin’ny fivoriambe notanterahin’izy ireo. Omaly maraina raha araka ny fanazavan’Andriandranarivo Joséphin vao nahazo antso an-tariby avy amin’ireo mpanome mariboninahi-pirenena ny tenany fa tsy azo tanterahina indray izany. Tsy ny fanjakana amin’ny ankapobeny no omenay tsiny fa misy olona tsy mankasitraka anay, antony mahatonga izany olana rehetra izany. Nohazavainy nandritra izany anefa fa araka ny didimpitondrana lahara 2015-1503 tamin’ny 5 novambra taona 2015 no tokony hanomezana io mariboninahi-pirenena io ireo mpikambana miisa 40 ireo fa tsy nataotao foana akory. Na izany aza tsy nahasakana ny fivoriana nentina nandinihin’izy ireo ny fanatsarana ny asany izany, fitsipi-pifehezana hifampitaizan’ireo mpikambana miisa 3200 miparitaka amina distrika 119 manerana ny faritra 22. Notsindriany manokana moa fa mifameno tanteraka amin’ny asan’ny dokotera ny asan’izy ireo fa tsy mifanipaka araka ny fiheveran’ny sasany azy  akory.

Pati

ara

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT