Actualités

Mpitsabo mpanala zaza Mety hahatratra 10 tapitrisa Ar ny sazy


  • Zoma 16 Septambra 2016

Efa mahazo vahana eto amintsika ny resaka fanalan-jaza amin’izao fotoana izao ka laharana voalohany ny tanora. Tsy mbola tapa-kevitra ny hiroso amin’ny fanambadiana sy tsy te hofatopatorana kanefa tia andrana ny ankamaroany

. Olana ho an’ny tovovavy sasany ihany koa ny fandaozan’ny olon-tiany azy taorian’ny nahabevohoka azy ka aleony misafidy io fomba mamoafady io mba tsy hitafiana henatra. Ho an’ireo mpitsabo na mpianatra ho mpitsabo tratra miray tsikombakomba dia misy ny sazy henjana miandry azy ireo. Helohina higadra mandritra ny ny 1-5 taona an-tranomaizina ary tsy afaka manao ny asany mandritra ny 5 taona izay tratra. Tsy vitan’izay fa mbola mandoa onitra 360 000 Ar ka hatramin’ny 10 800 000Ar. Raha fantatra fa efa tena asa fanaon’ireo mpitsabo ny fanalana zaza dia mbola mihatra aminy ny fidirana an-tranomaizina 5-10 taona miampy lamandy 360 000 Ar ka hatramin’ny 21 800 000Ar. Misy ny vahaolana aroson’ny minisitera amin’ny fampirisihina ny ankizivavy manomboka amin’ny faha-15 taonany dia fanaovana fanabeazan’aizana saingy vahaolana petatoko vao mainka mampirisika ny tanora hanaotao foana. Zava-dehibe ny fanamafisana ny fitaizana ara-tsaina sy ara-panahy ho an’ny tanora mba hahaizany mitondra tena. Mila hamafisina eny anivon’ny sekoly sy ny fiarahamonina ary ny fiangonana io.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT