Actualités

Mpitondra Scooter avy nijery RUN Maro no nampidirina « MD » eny Antanimora


  • Talata 02 Desambra 2014

Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora avokoa ireo mpitondra moto scooter voasakan’ny zandary tetsy Fenoarivo ny alahady hariva lasa teo raha avy any amin’ny RUN Arivonimamo

Ankoatra ny fanaovana ny alcotest ka nahitana fa nisy ireo mpitondra scooter no nahitana tahana zava-pisotro mahamamo ambony dia nisy tamin’izy ireo ihany koa no tsy ara-dalàna ny taratasin’ny moto nentina, tao ireo tsy nanao aroloha no sady mbola nifoka sigara teo am-pitondrana ny scooter. Notanana teny amin’ny zandary teny Fenoarivo ireo voalaza fa nandika lalàna ny alahady hariva sy ny omaly alatsinainy maraina, niakatra avy hatrany teny amin’ny fampanoavana-fitsarana Anosy omaly ary dia nalefa eny Antanimora avy hatrany. Raha ny fantatra dia ny alakamisy izao no atao ny fitsarana ireto mpitondra Scooter voasambotry ny zandary teny Fenoarivo ireto.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT