Actualités

Mpitatritra zotra nasionaly Tsy mazoto hifindra eny Andohatapenaka


  • Talata 13 Septambra 2016

Tsy mazoto ny hifindra eny Andohatapenaka ireo mpitatitra eo anivon’ireo kaoperativa mifamoivoy amin’ny RN1, 4, 5, 6 mihazo an’i Mahajanga sy ny manodidina iny raha nanaovana fanadihadiana tetsy Ambodivona omaly

 

. « Tsy ho satrinay ve hanana fiantsonana tsara sy malalaka ? », hoy ny sasany. Tsy azonay antoka anefa na hanara-penitra araka ny hiheveranay azy tokoa ny eny Andotapenaka. Raha nanontaniana ny mikasika ny fenitra ny mpandraharaha ara-pitaterana dia notakian’izy ireo ny fisiana godorao mba ahafahan’ireo fiara mivalampatra tsara.

Tsy mandry fahalemana

Ankoatra izay, hizingizinin’ireto mpitatitra ireto koa ny fandriampahalemana. Ny farany, rehefa tonga ny fotoanan’ny fifindrana dia tokony samy hifindra daholo fa tsy misy mijanona eto intsony. Izahay anefa tsy mino fa hanaiky hiala eto ny kaoperativa Besady plus sy Soratra plus ary ny Cotis satria efa manana trano be manokana. Sarotra ny miala amin’ny mahazatra. Mitovitovy amin’izany no mbola maha babangoana ilay fiantsonana vaovao ao Maevatanana. Voakasik’ity raharaha ity koa ny eny amin’ny fasan’ny karàna. Tsy fifanarahana amin’olona iray no hambolena savorovoro amin’ny fiarahamonina iray manontolo.

J.M

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT