Mahatratra hatrany amin’ny 2 000 watts ny onjam-panelingelenana nisotasotana ny haino aman-jery Malagasy Broadcasting System (MBS)
ka nahatonga ny tompon’andraikitra hampiato tanteraka ny andrana teknika ataon’izy ireo, hoy ny fanazavan’ny talen’ny famoahana, Ralaivaohita Joel. Tamin’ny 2015 no efa nisy fitoriana napetraka mikasika ity raharaha ity, hoy ny fanazavana. Tsy misy ny lalàna manery amin’ny tsy maintsy handinihana izany kanefa mahagaga ny antony atahorana ny fanaovana andrana teknika fotsiny. Marihina fa tsy nisy afa-tsy hirahira no nalefa nandritra ireo andrana natao ireo kanefa dia fanelingelenana nety nitondra hatrany amin’ny faharavana sy fahapotehan-javatra maro no nihatra tamin’ity haino aman-jery ity. Hisy ny fanazavana bebe kokoa amin’ireo mpanao gazety mikasika ny antsipirian’ity raharaha ity etsy Faravohitra anio.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.