Actualités

Mpitandro ny filaminana nihoa-pefy Nandratra tovovavy 24 taona


  • Talata 18 Desambra 2018

Ny alin’ny zoma 14 desambra teo, tokony ho tamin’ny 10 ora alina, raha ny fitantaran’ny tompona toeram-pisotroana iray etsy Ambohipo, no nitrangana fanakorontanana nataona mpitandro ny filaminana maromaro, tokony ho 20 isa tao amina toeram-pisotroana iray.

 

 Araka ny fanazavany, polisim-pirenena izy ireo, nanao bemidina ary namoaka ireo mpanjifa. Nisy iray tamin’izy ireo no nihoa-pefy ary avy hatrany dia nanainga latabatra sy ny zava-pisotro teo amboniny ary nandratra nonona tovovavy iray ny vakin’ireo zava-pisotro. Nahita ny zandry vavin’ny  tompon’ilay toeram-pisotroana nilalao telefaonina ihany koa avy eo ny iray tamin’ireto mpitandro ny filaminana ireto ka nahavita naka sary ny zava-niseho ary saika hisintona ilay finday. Nony tsy nanaiky ilay tovovavy vao 24 taona dia nodarohan’ireo mpitandro ny filaminana roalahy ary safotra. Nanamarika moa ny tompon’ity toerana ity fa tokony hikatona amin’ny 10 ora alina tokoa ny toeram-pisotroana eny an-toerana ary efa tsy namoaka toaka intsony tokoa izy ireo rehefa tonga io ora io fa namoaka tsikelikely ireo mpanjifa kosa. Ny nahagaga azy ireo ihany koa dia nisy Bar marobe hafa mbola nivoha taorian’ny tamin’ny 10 ora alina saingy tsy voakitika. Nisy iray aza mbola hitany nivoha tamin’ny 1 ora  maraina raha iny izy hamonjy fodiana avy any amin’ny hopitaly iny. Andrasana ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena.  

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT