Doka, toraka voninkazo no nomen’ireo vahoaka nijoro hitolona ho an’ny fahamarinana tarihin’ny K 25 tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey ireo mpitandro ny filaminana nanoloana ny fihetsika nataony ny sabotsy 29 desambra 2018 teo.
Raha tsiahivina, nanaiky ny hanara-maso ireo nihoa-pefy nandritry ny hetsika fotsiny izy ireo rehefa nifanaraka tamin’ny mpitari-tolona fa hetsika am-pilaminana no notontosaina tetsy amin’ny Parvis Analakely. Namela ireo olom-pirenena mangetaheta fahamarinana hiatrika ny fety aloha ireo mpitarika ny hetsika ka omaly indray vao notohizana tamin’ny alalan’ny fampirantiana ireo hoso-pifidianana nanjaka nanerana ny nosy tamin’ny alalan’ny “ecran géant”. Naverina tamin’ny naha hery famoretana azy indray, araka izany, ireo mpitandro ny filaminana. Nisy ny baiko avy any anivon’ny prefektiora fa tsy azo tontosaina tampoka ny hetsika. Niova ho fandratrana sy fisamborana olom-pirenena sy fanevohana baomba mandatsa-dranomaso ka nampiverina azy ireo ho hery famoretana indray.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.