Actualités

Mpitandro ny filaminana Malagasy Afa-baraka tanteraka


  • Alakamisy 22 Desambra 2016

Hifandovana toy ny fahefana ihany ny leson-dratsin’ny mpitondra firenena eto amintsika. Tompondaka tamin’ny fisamborana sy fampiasana ny herim-pamoretana ary ny fanagadrana ny fitondrana tetezamita ary mandova izany ny fitondrana Rajaonarimampianina.

Ny ampahany betsaka amin’ny volam-panjakana angamba no atosaka any amin’ny mpitandro ny filaminana izay voatambitamby tokoa hiaro ny fitondrana tsy hiozongozona. Firenena manana manamboninahitra be indrindra eto ambonin’ny tany i Madagasikara. Vao andro vitsy izay no nisy indray ny fampiakarana galona manamboninahitra miisa 62 be izao. Zarazaraina toy ny mofo vao avy novidiana teny an-tsena ny galona. Tsy misy asa mivaigana anefa fa dia miaro an-jambany ny mpitondra efa malaza amin’ny kolikoly sy ny fanondranana harem-pirenena ary ny famoretana ny Malagasy mpiray tanindrazana no tena tarigetra. Raha manao ny asany sy mitazona ny tarigetrany amin’ny maha tandroka aron’ny vozona sy ilay hoe ho an’ny vahoaka sy ny fananany ny foloalindahy dia tsy ho toy izao mihitsy ny fandriampahalemana eto amin’ny firenena. Tamin’izao fitondrana izao no nampirongatra ny fitsaram-bahoaka be indrindra teto Madagasikara, nahabetsaka indrindra ny asan-dahalo izay namoizana ain’olona an-jatony, nampahery vaika ny fivarotana tanindrazana sy ny firaisana tsikombakomba amin’ny vahiny mpangoron-karena. Inona no andraikitra mba noraisin’ny mpitandro ny filaminana tamin’izany ? Toa efa fanalam-baraka ny mpitandro ny filaminana mihitsy no ataon’ny fitondram-panjakana hoe azo vidiana sy entina amin’ny sangany, ka vao tsipazana volabe sy galona dia mirangorango sy manaiky hatao fitaovana fa tsy mba manana hazon-damosina intsony.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT