Resaka halatra taratasim-bola hosoka mitentina 4 tapitrisa ariary efa tamin’ny taona 2015 nitorian’i Niry Maherilahy mpandraharaha, mpitantana orinasa mpamokatra jiro any Ilakaka no nampidoboka am-ponja vonjimaika an’i Fernand Cello vonjimaika.
Nitondra ny heviny ny mpisolovava Rasoanandrasana Marie Claudia, mpiaro an’i Fernand Cello. Tsy ara-dalàna ny fahitako azy. I Niry Maherilahy no voalaza fa nanome ny taratasim-bola ho azy, hoy izy. Raha ny fanazavany, nirahin’i Nônô haka vola tany amin’io mpandraharaha io, hampiasaina amina propagandy i Fernand Cello, saingy tsy nisy vola mivantana fa taratasim-bola no nomen’i Niry Maherilahy. Izay no nahatonga ilay taratasim-bola ho tany amin’i Cello, izay midika fa tsy ho azy akory ilay vola, hoy ny mpiaro azy. Tsy tonga dia hanome 4 tapitrisa ariary amin’ny alalan’ny taratasim-bola ny banky raha ny lalàna fa tsy maintsy maka alalana avy amin’ny tompon’ilay taratasim-bola. Voaloa ny vola ary tsy nisy olana nandritra ny 2015 ka hatramin’ny aogositra 2016. Ny raharahan’Ilakaka momba ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany sy ny fanehoan-kevitra nataon’i Fennad Cello no tsy nifankahazoana fa tsy resaka taratasim-bola raha ny fanambaran’ny mpisolovava. Notapahin’i Niry Maherilahy ny jiron’ny Radio Jupiter taorian’izay, ka nitory i Fernand Cello, ary teo no nivoahan’ny fandrahonana tamin’ny alalan’ny finday nataon’io mpandraharaha io hoe : Tsoahy ny fitoriana raha tsy izany lazaiko fa nangalarin’ialahy tao anaty fiara ilay taratasim-bola, araka ny fanazavan’ny mpisolovava hatrany. Mitaky ny hamerenana ny findain’io mpanao gazety io ny mpisolovava azy satria ao ny porofo, ary mangataka ny fanamarinana ilay taratasim-bola, izay misy ny sonian’ilay mpandraharaha nitory. Manohintohina ny asa fanaovan-gazety ny fanagadrana azy, hoy ny mpisolovava Rasoanandrasana Marie Claudia. Taorian’ny fisehoana tamina fahitalavitra iray ny 3 mey teo no nanenjehana sy nanagadrana azy, ary manamafy izany ny nisamborana azy andro vitsy taorian’izay, raha ny fanambaran’io mpisolovava io, ka angatahin’izy ireo ny hanafahana vonjimaika azy satria tsy voahaja ny zon’ny fiarovana. Nilaza kosa ny tonian’ny fampanoavana any Ihosy, Rabenirainy Tinah fa efa hatramin’ny faran’ny desambra 2016 ny raharaha Fernand Cello, izay mikasika taratasim-bola sy fampiasana hosoka, ka nakana azy taty an-drenivohitra, izay toa mandiso fa tsy ny resaka fisehoana tamin’ny fahitalavitra teto an-drenivohitra no antony.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.