Tovolahy iray, misoloky ho mpiasan'ny faritra Alaotra Mangoro no tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny.
Nahitana fitomboka sy taratasy sandoka fanendrena azy ho mpiasan’ny Faritra miaraka amin'ny sonian'ny lehiben'ny Faritra sandoka ary ireo fanafody gasy sy « puce » finday amin'ireo tambajotra rehetra tany aminy.
Niainga tamin'ny alalan'ny loharanom-baovao avy any Beparasy Mangarivotra, misy toeram-pitrandrahana vato vaovao ny fikarohana azy. Nandefasana zandary sy tena mpiasan’ny Faritra nijery akaiky azy tamin'ny 11 martsa vao nahazo antso ny tompon'andraikitrea eo anivon'ny Faritra. Mbola ireo olona namita iraka indray no nanaovany fisavana ka teo izy no noraisim-potsiny.
Ny 04 martsa 2016 ilay tovolahy mpisoloky ity no tonga tany Beparasy ary naka vola tamin'ny fomba hafahafa tamin'ireo olona mpitrandraka « corindon » ao. Ny 16 martsa izy no naiditra any am-ponja ao Moramanga.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.