Nisy olona tonga nametraka fitoriana tao amin’ny “Brigade Criminelle” Anosy sakelika fahatelo ny 12 oktobra 2015 lasa teo fa misy lehilahy iray nisoloky azy ireo sady misandoka ho Mpitsara.
Manana olana teny amin’ny Fitsarana ireto mpitory ka nanatona azy ireo ity lehilahy ity ary nilaza fa mahalala olona ao amin’ny Fitsarana afaka manafaka azy ireo. Noho ny tsy fananan’ireto olona manan-draharaha eny amin’ny fitsarana ireto vola dia ny fiarany no nomena azy ho tambin’ny fikarakarany tamin’ny 16 septambra lasa teo. Nigadra ihany anefa ilay olona rehefa avy nandalo fitsarana. Ilay fiara efa lasan’ity mpisoloky ity ka nametraka fitoriana teny amin’ny polisy ireto voasoloky. Nanao ny fanadihadiana avy hatrany ireto farany ka notadiavina tany an-tranony ity lehilahy ity fa tsy mety hita ka nametrahana taratasy fiantsoana. Ny alatsinainy, 19 oktobra teo izy no tonga nitolo-batana tao amin’ny “Brigade Criminelle” Anosy ka natao fanadihadiana. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra izany toy ny fakany ilay fiara ary efa tsy hita intsony izay misy azy. Marihana fa nametraka fitoriana teny amin’ny zandary ihany koa ity mpisoloky ity. Efa naiditra eny Tsiafahy vonjy maika izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.