Actualités

Mpisandoka ho mpanao gazety Nisoloky minisitra teo aloha


  • Alarobia 17 Oktobra 2018

Efa ela no nampikolay ireo mpanao gazety ny afitsoky ny tovolahy iray misandoka mpanao gazety amina onjam-peo iray tsy misy fampahalalam-baovao akory.

 

 Taty aoriana, nilaza indray ny tenany fa mpanao gazety amin’ny iray amin’irony gazety an-tambajotra na site web irony. Rehefa natao anefa ny fanadihadiana dia na io site web nolazainy io aza efa ela no tsy nisy intsony. Omaly dia minisitra teo aloha avy nanatontosa tafa amin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina no nosolokiany ary nakany volabe 480.000 ariary, raha ny voambara. Fantatra amin’ny anarana hoe Eric Nambinina na Capte na koa hoe kapiteny ity mpisoloky ity. Ny mahagaga ny rehetra dia sahiny mihitsy ny mirehareha imason’ireo mpanao gazety sy mitabataba amin’izy ireo, eny mandrahona mihitsy aza, hoy ireo efa nolasibarany fa mpisoloky izy. Soraty raha hanoratra ianareo, hoy izy. Mila mailo noho izany ireo mpanasa mpanao gazety.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT