Actualités

Mpiray tanindrazana miaro tontolo iainana (M.C.P.E) Hanatona an’i Lalao Ravalomanana


  • Alakamisy 04 Oktobra 2018

Niforona ny 16 oktobra 2014 ny fanetsiketsehana ny mpiray tanindrazana handala ny fahadiovana sy hitandro ny tontolo iainana na “Mouvement des citoyens patriotes écologistes” (M.C.P.E).

 

 

 Antony nitsanganan’ny fikambanana tamin’izany, hoy ny filohan’ny fikambanana, Voarilala Rakotondramanana na Koly, dia satria raha notazanina avy teny Imerintsiatosika, izay tanàna madio dia madio, Antananarivo dia hita fa mainty dia mainty na hoe maloto dia maloto ny tontolo iainany. Eo ny fako mivangongo fa eo koa ny setroka isan-karazany. Sempotr’izany ireo boriboritany 6. Nofidiana manokana Antananarivo satria izy no nitsirian’ny hevitra sy mbola zakan’ny enti-manana, hoy hatrany ny fanazavana. Nanatotosa atrikasa fakan-kevitra tetsy amin’ny mpanorama Andrainarivo niaraka tamin’ireo mpiara-misehatra ao anatiny moa omaly ny M.C.P.E ary anisan’ny nodinihana tamin’izany ireo teboka lehibe hahafahana manavotra an’Antananarivo tsy hilona intsony ao anatin’izay tontolo iainana simba izay. Hisy, araka izany, ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka resy lahatra amin’ny tetikasan’izy ireo ary  nolazain’ity filoha ity fa hatoniny ihany koa ny eo anivon’ny fiadidiana an’Antananarivo Renivohitra izay tarihin’ny ben’ny tanàna, Lalao Ravalomanana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT