Betsaka ireo fandrahonana sy fampitahorana mianjady amin’ny sendikan’ny mpiraki-draharaha ataon’ny Minisiteran’ny Fitsarana
amin’izao raha araka ny loharanom-baovao azo noho izy ireo milaza ny tsy hihemotra amin’ny fitokonana faobe hotanterahiny manomboka ny alatsinainy ho avy izao. Araka ny fanadihadiana natao dia tsy hihemotra velively izy ireo na dia eo aza izany rehetra izany. Efa fantatray, hoy ny solontenan’izy ireo fa mety horoahina mihitsy ny lehibenay na ireo “greffier en chef” izay manentana isaky ny faritra misy azy, ireo mpikatroka mba hanatanteraka fitokonana saingy efa hevitra tapaka ny anay no sady tongotra mby an-dakana ihany koa. Na izany aza dia naverin’izy ireo fa tsy miady amin’ny vahoaka izy. Hisy hatrany mantsy ny “service minimum” hotanterahiny toy ny fanaovana ny “casier judiciaire”, ny famoahana olona eny am-ponja raha hofadian’izy ireo kosa ny hanatrika raharaham-pitsarana na koa hanao fakana am-bavany vaovao. Marihina moa fa hiaraka hitokona amin’izy ireo ihany koa ireo mpandraharahan’ny fonja ho fanairana ny minisiteran’ny Fitsarana tamin’ny fitakiana nataon’izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.