Actualités

Mpiraki-draharahan’ny fitsarana Manomboka mihetsika indray


  • Talata 30 Mey 2017

Tafahoatra ny fanaovana tsinontsinona ny mpiraki-draharaha eto amintsika, raha ny fanambarana nataon-dry zareo eo anivon’ny fivondronan’ny mpiraki-draharaha tetsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina omaly.

 

 Tsy levon’ny vavonin’izy ireo ny tsy fampanatrehana azy ireo ny famotorana sasany mitranga fa ireo mpilatsaka an-tsitrapo indray no manatrika izany. Takian’izy ireo ny fanazavana mikasika ny fiatoan’ny famatsiana (versement) azy ireo izay niato nanomboka ny taona 2006. 17 taona ihany koa izao, raha ny fampatsiahivana natao omaly, no nitsahatra ny fifaninanana hidirana ho tonian’ny mpiraki-draharaha (greffier en chef) ary anisan’ny manabe voho, ny kolikoly satria mbola mitohy foana ny fandraisana mpiasa vaovao na dia eo aza izany. Ny 2 jona izao moa dia hanao kongresy tsy ara-potoana ireto mpiraki-draharaha ireto andinihana ny tokony hatao manoloana ny zava-misy.

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT