Hanao fivoriambe ireo mpiraki-draharahan’ny fonja anio 9 septambra ka ao anatin’izany no handraisana fanapahan-kevitra amin’ny fitohizan’ny fitakian’izy ireo.
Nahazo fampanantenana ny hamaliana ny fitakiany foana izy ireo nanomboka ny volana aprily saingy tsy mbola tanteraka izany mandrak’ankehitriny. Raha tsiahivina dia notakiana ny famerenana ny fanofanana “greffier en chef” izay tsy nisy intsony nanomboka ny taona 2000-2016. Eo ihany koa ny fanasokajiana ny mpiasa mpirakidraharahan’ny fitsarana efa ela niasana hiakatra amin’izany laharana izany. Efa in’efatra miantoana ny fihaonana tamin’ny minisitra saingy tsy nisy vokany. Nanambara ireo mpiraki-draharahan’ny fonja fa efa im-betsaka nangataka fihaoana tamin’ny praiminisitra saingy tsy mety nahazo fihaonana ka ambaran’izy ireo fa «efa valy boraingina » no misy na dia misoka-baravarana amin’ny fifampidihana aza ny mpiraki-draharaha. Ahiana hikatso indray izany ny tontolon’ny fitsarana ato ho ato.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.