Tahaka ny an’ny mpandraharaha ny fonja dia hiatrika fivoriambe ihany koa ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana ny alatsinainy izao mba hanapahan-kevitra ny amin’ny mety ho tohin’ny zavatra hatao.
Efa tanteraka amin’ny 85% ny fitakian’ireto mpiraki-draharaha ireto taorian’ny fifampidinihana tamin’ny minisiteran’ny fitsarana. Azo heverina, araka izany, ny hitsaharan’ny fitokonana amin’izay. Efa tena miteraka olana goavana tokoa mantsy ny fikatsoan’ny fitsarana. Velon-taraina ireo manan-draharaha rehetra. Ny olona tokony hampidirina am-ponja mihitsoka any amin’ny zandary sy ny polisy ary rehefa tapitra ny 48 ora feran’ny lalàna hahafahana mitazona azy ireo dia tsy maintsy alefa mody izy ireo raha toa ka tsy nisy ny fiakarany teny amin’ny fitsarana ka nivoahana didy. Mety ho tonga amin’ny fanamby napetrany ihany izany ny minisitry ny fitsarana Andriamiseza Charles izay nilaza fa hovahana ao anatin’ny 10 andro ny olan’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana sy ny an’ny mpandraharaha ny fonja.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.