Tsy mety mivaha ny olan’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana izay efa am-bolana maro no nanao fitakiana ary izao hampikatso tanteraka ny raharaha izao indray.
Hanomboka anio dia ho raikitra indray ny grevy ka hampitsaharana tanteraka ny asan’ny mpiraki-draharaha na ny « Greffiers ». Tsy hisy araka izany fiandrasan-draharaha fa hitsahatra manontolo ny asa. Raha tsiahivina dia isan’ny fitakian’izy ireo ny famerenana ny fanofanana “greffier en chef” izay tsy nisy intsony nanomboka ny taona 2000-2016. Eo ihany koa ny fanasokajiana ny mpiasa mpirakidraharahan’ny fitsarana efa ela niasana hiakatra amin’izany laharana izany. Mety hiveri-maina indray izany ireo olona manana olana eny amin’ny fitsarana indrindra fa ireo avy lavitra tsy mahalala ny zava-misy. Mila vahana ny olana mba tsy ho lany fotoana sy vola fotsiny ny olona izay efa tena sahirana tanteraka.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.