Manome iray volana ny minisiteran’ny fitsarana mba hanalana amin’ny toerany ny talen’ny fandraharahana ara-bola ao aminy ny sendikan’ny mpiraki-draharaha sy ireo mpandraharahan’ny fonja.
Efa mihoatra ny mety loatra raha araka ny tafa nifanaovan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly ny hafitsok’ity talen’ny fandraharahana ara-bola ity na ny DAF an’ny minisiteran’ny fitsarana ity. Misy hatrany, hoy izy ny fitondra-mitanila atao amin’ny mpiasa. Misy ny omena “flotte” misy ny tsy omena ary tsy mitovy ny fandaniana omena ny tsirairay. Toraka izany koa ny taratasin-tsolika izay tsy mitovy ho an’ny tsirairay, ny fampidiran’ity DAF ity mpiasa ECD hatrany raha efa nifanarahana niaraka tamin’ny minisitry ny Fitsarana fa tsy hisy intsony aloha izany…Novakian’izy ireo tao ihany koa fa tena manodinkodim-bola ity DAF ity. Lazainy ombieny ombieny hatrany ireo fa tsy manam-bola ny minisitera nefa mahavita manamboatra fiara mitotaly 9 tapitrisa Ar ity talen’ny fandraharahana ara-bola ity. Nanambara moa izy ireo fa efa nisy ny fihaonana nataony tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny misahana izany niaraka tamin’ny porofo ary efa nisy ihany koa ny fihaonany tamin’ny minisitry ny fitsarana. Andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.