Hatreto aloha dia tahaka ny resaky ny moana sy marenina ny fifampidinihana eo amin’ny minisiteran’ny fitsarana misolotena ny fanjakana amin’ny sendikan’ny mpiraki-draharaha.
Mbola nitokona ireto farany omaly na dia misy ihany aza ny « service minimum ». Nanamafy ny filohan’ny sendikan’ny mpiraki-draaraha Nicolas Rabenandrasana omaly fa tsy nisy nahafa-po ny fifampidinihana, tsy mbola misy tanteraka ny fitakiana. Ary raha tsy misy ny fivoarana dia mbola hihamafy hatrany ny fitokonanay amin’io herinandro ambony io, hoy ny filohan’ny SGM. Ny minisitry ny fitsarana Andriamiseza Charles moa raha nandray tamin’ny fomba ofisialy ny toerany ny talata lasa teo dia nilaza fa tokony hivaha ato anatin’ny 10 andro ny olan’ny mpiraki-draharaha sy ny mpandraharaha ny fonja. Efatra andro izay no dila, mbola mihenjan-droa ny tady ka ho hita eo indray ny hitranga manomboka amin’ny alatsinainy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.