Nodimandry omaly maraina rehefa narary fo nanomboka tamin’ny taona 2016 tany ho any i Nadia Razanamparany, ilay mpiraki-draharaha teo aloha.
Nihombo hatrany ny aretiny ka tamin’ny taona 2017 dia voatery notapahina ny tongony roa ka niteraka fery be, antony nahatonga ireo malala-tanana maro samihafa tonga nanohana azy tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Tsy nikoriana tsara mantsy ny ra tany amin’ny tongony. Nandao azy vokatr’izany ny vadiny, raha ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety tamin’izany. Voatery noraisin’ireo rafozany ihany koa ny fitaizana ireo zanany mianadahy kely izay tena tian’i Nadia tokoa. Efa kamboty ihany koa mantsy i Nadia ka ireo havany sy namany akaiky no mba tsy nanary azy. Niezaka hatrany i Nadia Razanamparany. Taorian’ny fikombonan’ireo fery tamin’ny feny dia nangataka solon-tongotra izy mba ho afaka mandeha sy miverina miasa indray saingy tsy nety taminy izany, hoy ireo mpitsabo. Voatery nampiasa ireny seza fampiasan’ny olona manana fahasembanana ireny ity renim-pianakaviana ity. Tamin’ny taona 2018 lasa teo dia fantatra fa efa nihatsara tanteraka ny fahasalamany. Efa afaka nifanerasera tamin’ireo zanany ihany koa izy saingy indrisy fa nindaosin-drafahafatesana ihany. Taorian’ny nampidirana azy hopitaly nandritra ny andro maromaro mantsy dia tsy tana intsony ny ainy. Namela kamboty mianadahy kely Ratompokovavy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.