Actualités

Mpiraki-draharaha Hiverina hitokona indray


  • Zoma 12 Aogositra 2016

Tsy misy azonay antenaina intsony amin’izao fitondrana izao, hoy ireo solontenan’ny sendikan’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana, raha nampivory ireo mpanao gazety tetsy Antaninarenina, omaly.

 

Efa nilaza ny filoham-pirenena tamin’izy mbola minisitra fa tsy hahazo fiakaram-boninahitra izany izahay raha mbola izy no minisitra eto. Mazava izany fa tsy vonona ny hanome izany intsony ny filoha satria efa lasa filoham-pirenena mihitsy izy. Ny vola anefa misy satria afaka mampiditra mpiasa maro foana isan-taona ny eo anivon’ny sampandraharaha misy anay kanefa ny fanaovana fifaninanana mivantana ho amin’izany dia mandany vola lavitra noho ny famaliana ny hetahetanay izay fangatahana fisondrotana toerana fotsiny. Manam-bola ny minisitera saingy misy olona tian-dry zareo hampidirina ato. Tsy vola, araka izany no vato misakana fa misy olona tiana hampidirina haka ny toeranay mihitsy. Noho izany dia tsy maintsy hiverina hitokona amin’ny fotoana mahamety azy izahay, hoy izy ireo.


Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT