Actualités

Mpiompy omby eny Ankatso Ambolokandrina Nahazo rariny tamin’ny CUA


  • Talata 30 Mey 2017

Tsy alana amin’ny toerany araka ny fampitahorana efa nahazo azy ireo hatramin’ny ela fa afaka manohy ny asa fiompiany ireo mpiompy omby ao amin’ny fokontany Ankatso Ambolokandrina.

 

 Fantatra izany omaly nandritra ny fihaonan’izy ireo mivantana tamin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), notronin-dRabetsara Lita ao anatin’ny fikambanana RNDC mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Raha tsiahivina, misy mpiara-monina amin’ireo mpiompy omby eny Ankatso Ambolokandrina no nitory azy ireo. Noho ny tsy fahazakany ny fofon’omby sy ny malotony no voalaza fa antony izay marihina fa efa niakatra teny anivon’ny fokontany, ny BMH ary ny fitsarana mihitsy. Teny anivon’ny kaominina indray no  nampiakarana ny raharaha ka mbola nahazo rariny ihany izy ireo. Ekena fa misy lalàna tokoa milaza fa tsy azo hiompiana omby eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, hoy Rabetsara  Lita. Notsiahiviny kosa fa tsy maintsy mifamelona ny samy Malagasy mba tsy hampidangana ny vidin-dronono sy ny hena. Mahatratra  1.000 isa isaky ny Boriborintany ireo mpiompy omby eto Antananarivo. Koa raha voakitika ireo rehetra ireo dia mety hiteraka savorovorom-piarahamonina goavana izany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT