Actualités

Mpilatsaka an-tsitrapo Olona 609.000 misahana olona 22 tapitrisa


  • Talata 06 Desambra 2016

Tsy mahasarika olona loatra ny asana mpilatsaka an-tsitrapo eto amintsika.

 

 Ilaina anefa  izy ireny hahafahana manampy sy mamonjy ny mpiarabelona,  indrindra ho an’ny tany  mahantra toa antsika eto Madagasikara. Raha ny tarehimarika nivoaka tamin’ny taona 2014 anefa dia vao  609.000 monja ny isan’izy ireo  na ny  2,8 % -n’ny mponina miisa 22 tapitrisa manerana ny Nosy aey vehivavy avokoa ny 64 %. Miasa tsy mandray karama izy ireo,  mahafoy fotoana hanasoavana sy hanampiana ny mpiara-belona aminy ihany koa,  ary tsy mitarain-tana-miempaka. Sehatra maro no hiasan’izy ireo toy ny fampianarana, ny fiarovana sy fitandroana ny tontolo iainana, ny lafiny ara-pahasalamana … Tafiditra ao ny fanomezan-dra maimaimpoana izay notanterahin’izy ireo tetsy Anosy omaly, tao anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny mpilatsaka an-tsitrapo. Maromaro ihany ireo tonga nanohana ny antso. Mihoatra ny 50 kg ny lanjany, tsy manana aretina mitaiza, salama tsara. Tsy tonga fadim-bolana sy tsy mampinono kosa ho an’ny vehivavy. Hatolotra ny toby famatsian-dra ao amin’ny hopitaly HJRA avokoa ny ra azo. Ho an’ireo mpikambana dia maimaimpoana ny fahazoany ra raha sendra tojo fianakaviana tsy salama izy ireny, misy sarany kosa ho an’ny tsy mpikambana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT