Hatramin’izao dia mbola mifandrirarira hatrany ny avy eo anivon’ny sampandraharaha nisahana ny fifandraisana na ny DRM tamin’ny fihaonamben’ny Comesa izay natao teto amintsika farany teo sy ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny fikarakarana fihaonambe iraisam-pirenena tahaka itony.
Araka ny fantatra, hatrany am-boalohany, dia efa voasokajy araka ny tandrify azy avy ny tambin-karama tokony ho azon’ny rehetra izay mandray anjara amin’ny fankalazana sy fampiakoakoana ny fihaonana goavana toy izao. Ny zava-misy anefa dia efa nampanantena izao ny sampandraharaha roa tonta, na tamin’ny alalan’ny antso an-tariby na tamin’ny fifampiresahana tsotra, fa samy hahazo ny valin-kasasarany ny rehetra. Ny avy eo anivon’ny mpanao gazety manokana, tsy mbola nahazo ny anjarany na dia efa nampanantenaina hoe aorian’ny hetsika aza no handray ny azy. Betsaka amin’ireo tompon’andraiki-tserasera mpanatanteraka ihany koa amin’izao fotoana izao no nahazoana loharanom-baovao fa mbola naman’ny niasa maina izy ireo. Haino aman-jery isan-karazany moa no efa namoaka ny vaovao mikasika ny fisiana mpanitsoka vola amin’ity minisitera ity kanefa hatreto tsy misy ny fepetra noraisin’ny tompon’andraikitra.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.