Actualités

Mpikambana HAFARI Nitory ilay karana nampiditra am-ponja ny filohany


  • Talata 26 Martsa 2019

Tsy hanaiky hatramin’ny farany ireo mpikambana eo anivon’ny HAFARI Malagasy.

 

 

 

 Taorian’ny nahafantaran’izy ireo ny marina rehetra mikasika ny tany etsy Anosizato dia nitory ilay karana nampiditra ny filohan’izy ireo Rafanomezantsoa Jean Nirina eny am-ponja izy ireo. Eny anivon’ny lehiben’ny fampanoavana  mihitsy no nanateran’izy ireo ny fitoriana. Nandefasana taratasy fitarainana ihany koa ny eo anivon’ny fiadidian’ny repoblika. Ho azy ireo mantsy dia fanampenam-bava tsy hivoahan’ny marina no antony nampidirana ny filohany eny am-ponja. Tsiahivina fa efa nisy ny fotoana nampiatoan’ny fanjakana ny asa fanamboarana fotodrafitrasa teny amin’io kianja filalaovam-baolina Anosizato io. Ankehitriny, misy milaza fa misy manao asa an-tsokosoko indray ao an-toerana koa iantsoan’izy ireo ny tompon’andraikitra. Mikasika ny fisamboran’ny zandary eny Betongolo ny filohan’ny HAFARI tamin’ny naha-talen’ny fampielezan-kevitry ny kandida filoham-pirenena iray azy moa dia fantatra fa nahazo fahafahana madiodio ny tenany, didy nivoaka tamin’ny 19 martsa lasa teo.

Marigny sy Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT