Niampy 20 mianadahy indray ireo mpikabary matihanina eto amintsika. Ny Fikambanana mpikabary Hajan’ny Gasy tarihin’andriamatoa Rahajasoa Honoré no nanandratra azy ireo, andiany faharoa misalotra ny anarana hoe
: “Solofo handimby”, nitondra ny teny filamatra hoe « Reharehako ny maha gasy ahy ». Ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny Restaurant St Jean Anosibe nanatanterahana ny lanonana teo ambany fiahian’ny ray mpiahy mpiahy azy ireo, ny solombavambahoaka Naivo Raholdina mivady. Nianatra sy nanovo fahalalana nandritra ny dimy volana tao amin’ny Sekoly Mahaleovasoa Impec Anosibe izy ireo. Nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana azy 20 mianadahy narahin’ny mari-pahatsiarovana boky “ny fikabariako” fianarana kabary nosoratan’ny ray mpiahy azy ihany koa ary boky torolalana tsotsotra momba ny fananan-tany, satria tsy afa-misaraka “teny” sy ny “tany”. Tamin’ny fandraisam-pitenenana nation-dRaholdina azy ireo no nanasongadinany ny maha zava-dehibe ny teny Malagasy ka nanentanany ny rehetra mba hanandratana avo ny tenin-dreny, ary nanomezany tso-drano ireo andiany Solofo handimby mba ho reharehan’ny mpikabary Malagasy. Tsiahivina moa fa ny Fikambanana Hajan’ny Gasy dia misokatra ho an’ny fikambanana rehetra ary efa ahitana toeram-pampianarana maro toy ny eny Itaosy, Besarety aryAnosibe.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.