Actualités

Mpifankatia nifamono Tovovavy voatsindron’antsy tao amin’ny “chambre”


  • Zoma 17 Mey 2019

Tovovavy iray no hita nitsirara torana tsy nahatsiaro tena, nihoson-dra tao amin’ny Maeva Hotel, efitra 101 ao Mahajanga omaly hariva tokony ho tamin’ny 7 ora.

 

 Naratra mafy voatsindron’antsy tao amin'io trano fandraisam-bahiny io ilay tovovavy antsoina hoe A…. noho ny tsy fifankahazoana teo aminy sy ilay sakaizany, raha ny tombana vonjimaika. Tsy fantatra mazava izay tena olana teo amin’izy roa ireo. Tabataba fifamaliana no henon'ireo mpiasan'ny hotely, ka rehefa nojerena dia vatana efa feno ra no novantanina sy novonjena tao. Nandriaka ny ra na teo amin’ny fandriana na tao amin’ny “toilette”, izay azo adika fa tena nifandramatra tanteraka ny an-daniny sy ny an-kilany. Nentina namonjy hopitaly haingana moa ilay vehivavy izay efa tsy nahatsiaro tena sy nitanjaka. Ilay lehilahy sakaizany heverina ho nahavanon-doza kosa vaky nandositra ka tsy hita popoka hatramin’ny omaly takariva. Ny zava-dehibe nimasoana rahateo, dia ny famonjena ilay vehivavy naratra mafy, izay nentina notsaboina ao amin’ny Hopitalin’Androva ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT