Actualités

Mpiasan’ny Jirama Grevy faobe manomboka rahampitso


  • Alarobia 06 Martsa 2019

Tapitra ny alatsinainy teo ny fe-potoana 48 ora nomen’ny mpiasan’ny Jirama hialan’ny Tale jeneralin’ity orinasam-panjakana mpamokatra jiro sy rano ity Aimé Olivier Jaomiary noho ny lesoka maro tsapan’izy ireo, toy ny fifaranarahana tamin’ireo vahiny izay mahazo tombontsoa mihoapampana.

 

 

 

 Anisan’ny zavatra notakian’ireo mpiasa ihany koa raha tsiahivina ny famerenana ireo naman’izy ireo nesorina tamin’ny asany noho ny resa-pitakiana. Hiroso amin’ny fitokonana faobe ny mpiasa manomboka rahampitso alakamisy 7 martsa, raha ny nambaran’ireo mpitarika. Tsy namaly mivantana anay, fa tamin’ny gazety, ary tsy mihemotra ny Tale jeneraly, ka efa nanaraka ny dingana fanao rehetra amin’ny fitakiana ny Jirama izao hiroso amin’ny fitokonana faobe izao, raha ny nambaran’Atoa Haja Maminirina. Nandefa taratasy any amin’ny “inspection du travail” izy ireo ary misy ihany ny koa ny fampahafantarana hanao grevy na “préavis de grève”, raha ny fanazavana. Efa natsangana isaky ny toeram-piasana ny komitin’ny grevy, ary tsy handray ny baiko avy amin’ny mpitantana intsony izy ireo, hoy kosa Rakotomanarivo Jackson. Manerana ny Nosy moa no voalaza fa hisian’izao fitokonana izao. Tato anatin’ny andro vitsy izay, dia niverina ary somary nahery vaika indray ny delestazy, indrindra ny faran’ny herinandro teo, kanefa tsy ao anatin’ny grevy ny mpiasa. Inoana fa mety hisy fiantraikany lehibe amin’ny famokarana ny fitokonana, indrindra eo amin’ny fikirakirana ny fandanian’ny mpanjifa sy ny fandoavana ny faktiora. Mila miomana ny mpanjifa, raha toa ka tsy hisy ny vahaolana hivoaka ato anatin’ny fotoana fohy. Tamin’ny herinandro ambony raha tsiahivina no nanome baiko amin’ny hanavaozana ny fifanarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka ny praiminisitra, izay nilaza fa tsy ekena intsony ny tombontsoa mihoapampana ho azy ireo.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

Hijery ny tohiny
FTT