Nanova paikady hahafahana mangataka ny famoahana ny tale jeneraliny nampidirina am-ponja vonjimaika ireo mpiasan’ny fananan-tany rehetra etsy Anosy.
Raha ny fanazavan-dRakotondravao Willy, mpitondra tenin’ireo sendika, omaly dia efa misy ny fifampidinihina eo amin’izy ireo sy ny fitondram-panjakana ka andrasana izay mety ho tohiny. Na izany aza, mitohy ny tolona ary hiezaka ny hanadio ny tontolon’ny asa misy azy ireo ihany koa izy ireo. Miantso ny ambaratongam-pahefana rehetra eto amin’ny tany sy ny firenena izy ireo tsy hanao fijery mitanila manoloana ireo tranga misy eto amintsika. Hiverina hiasa izy ireo manomboka anio saingy hitohy hatrany ny tolona mba tsy hisian’ny mizana tsindrian’ila intsony amin’ny fampiharana ny lalàna.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.