Actualités

Mpiasan’ny fahitalavitra MBS Hita faty niantona tao an-tranony i Herizo


  • Talata 24 Septambra 2019

Nodimandry i Herizo Rajaonarivony, mpaka sarin’ny fahitalavitra MBS. Hita nihantona tao an-trano fonenany teny Anosipatrana ny nofo mangatsiakan’ity mpiasa amina haino aman-jery ity omaly.

 

 

 Tsy mbola fantatra mazava ny antony nahafaty azy fa mbola miandry ny fanadihadiana ataon'ny mpitandro ny filaminana sy ny mpitsabo na ny "médecin légiste" manoloana ny fahafatesana tampoka nahazo an’i Herizo. Olona tsotra tamin’ny ankapobeny no nahafantarana azy teo amin’ny sehatry ny haino aman-jery, indrindra fa tamin’ny fifaneraserana tamin’ny namana sy mpiara-miasa teo amin’io tontolo io. Ny Fianakaviam-ben’ny Gazety Tia Tanindrazana dia miombona alahelo sy mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany manontolo sy ny mpiara-miasa aminy rehetra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT