Nikaon-doha tetsy Tsaralalana omaly ireo mpiasan’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny mpiasan’ny fadin-tseranana manoloana ireo raharaham-pitsarana mety misy eo anivon’ny fadin-tseranana.
Raha ny fantatra dia betsaka ny volan’ny fanjakana tokony hampidirina anaty tetibolam-panjakana anisan’ireny ny lamandy amin’ireo karazan’entana mbola tavela ao amin’ny ladoany hahafahana manao asa sosialy ho an’ny vahoaka. Betsaka amin’izy ireny anefa no tsy misy mpaka, antony mahatonga ny fadin-tseranana hiantso ireo tompon’entana hilaza na mora simba na tsia ny entana nohafarany hahafahana mandray fepetra mikasika ny zava-misy. Tokony hampidi-bola ho an’ny fanjakana mantsy izy ireny, hoy Rabenja Narivony Eric, talen’ny fadin-tseranana. Ankoatra izay, fantatra ihany koa fa efa miara-miasa akaiky amin’ny PAC na ny tendro miady amin’ny kolikoly ny fadin-tseranana ankehitriny ka ho any amin’ny faritra manamarika ny sisin-tany no fantatra fa efa voafehy tanteraka hatreto. Andiany faharoa moa ity fihaonana notanterahin’ny roa tonta ity, narahin’ny fifanakalozan’izy ireo traikefa hoenti-manatsara ny asa sahanin’ny tsirairay avy. Marihina fa nahatratra 41 miliara ariary ny hetra tokony hiditra tamin’ny taona 2016 nefa tsy hita. Nahatratra 18 miliara kosa tamin’ny taona 2017.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.