Mitaraina ho tsy mbola nahazo karama volana janoary ny mpiasa amin’izao fotoana. « Very fanahy mbola velona izahay mpiasa ato amin’ny CNAPMAD (Centre National de Production de Matériel Didactique),
satria tsy mbola nahazo karama volana janoary 2020 hatramin’izao. Manana fianakaviana velomina izahay, sy zaza mianatra nefa izany ny olana», hoy ny fitarainan’ny mpiasa ao amin’ity orinasam-panjakana ity. Noho izany, dia nanapa-kevitra ny mpiasa fa mifandimby ny famonjena toeram-piasana satria efa samy sahirana, na ny handoavana saran-dalana amin’ny taksibe aza tsy misy. Raha hatao ny kaontikaonty, dia efa 50 andro hatramin’ny anio izany izy ireo no niasa, saingy tsy mbola nisitraka ny valin-kasasarany. Manaitra ny mpitondra fanjankana izy ireo mba hijery vahaolana fa tena sahirana. Mandrahona hanao fitokonana ireo mpiasa, raha tsy mivaly ny olana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.