Miroso hatrany, araka izay voarakitra ao anatin’ny bokin’andraikitra mifehy an’Ambatovy, ny fanarenana mitandro ny tontolo iainana ny toeram-pitrandrahany ao Moramanga.
Mitondra ny anjara birikiny ao avokoa ny rehetra. Nifamotoana tao amin’ny faritra iray anaovana fanarenana ny mpiasan’Ambatovy, ny 7 martsa 2019 teo ka namboly zanakazo ala zanatany (Harongana, Ditimena, Voamboana, Varongy, Afotra, Vakoka…) 2 500 isa mahery. Efa lasa fomba fanao eo anivon’ny orinasa Ambatovy isan-taona ity fiaraha-mientan’ny mpiasa ity. Ny asa fikolokoloana sy fanatevenana ny toerana nambolen-kazo tamin’ny taona 2018 no notanterahina tamin’ity. « Andao hiaraka hamboly hazo ho an’ny taranaka ho avy » no lohahevitra nitondrana ny hetsika. Marihina fa efa an-taonany izao no nanombohana ny asa fanarenana ny toerampitrandrahana, anisan’izany ny famokarana zanakazo, ny andrana natao nanomboka ny taona 2010, ny fanajariana ny tany ary mitohy isan’andro mandritra ny taona amin’ny alalan’ny asa fikojakojana sy fanaraha-maso ny zava-maniry novolena. Dingana iray lehibe no vita tamin’ity taona 2019 ity taorian’ny namindrana tao amin’ny toerana anaovana fanarenana ireo zava-maniry tandindonin-doza, tsy hita raha tsy any an-toerana ary arovan’ireo lalàna iraisam-pirenena hentitra, antsoina hoe « Species Of Concern » (SOC)
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.