Actualités

Mpiasan'ny minisiteran'ny vola Nanome 10 tapitrisa Ar ho an'Antsakabary


  • Talata 04 Aprily 2017

Tsy adinon’ireo mpiasan’ny minisiteran’ny fitantanam-bola sy ny tetibola ireo traboina ao Antsakabary, distrikan’i Befandriana Avaratra izay may trano ny volana martsa lasa teo.

 Nanatanteraka « tolo-tanana » ho fanohanana azy ireo ireo mpiasa ka vola mitentina 10 tapitrisa Ar no voaangony. Natolotra tamim-pomba ofisialy omaly  an’ny sekreteran’ny Episcopat eto Madagasikara teny Antaninarenina io fanampiana io. Nambaran’ny minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola, Gervais Rakotoarimanana  fa « noho ny firaisankina amin’ny maha samy Malagasy no antony nanentanany ny mpiasa rehetra eo anivon’ny minisitera iadidiany, hanolotra izay foin’izy ireo ho an’ny mponina ao Antsakabary. Tsy ny tranon’ireo traboina ihany mantsy  no may fa hatramin’ny fananana sy ny tahirim-bokatra rehetra ihany koa. Nitondra ny teny fisaorana tamin’ny anaran’ny vahoakan’Antsakabary ireo Episcopat.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT