Satria tsy noraharahian’ny fitondram-panjakana ny fampitandremana 48 ora nataon’ny Sendikan’ny mpiasan’ny Ladoany manohitra ny hanomezana orinasa vahiny ny
fanaraha-maso an’ireo entana miditra eto Madagasikara ankehitriny ka mitaky ny hampiatoana ny tolotra natao amin’izany dia tapa-kevitra izy ireo fa hiditra amin’ny fitokonana fanairana anio alarobia 23 desambra 2015. Nambaran’ity sendikan’ny mpiasan’ny Ladoany ity fa hikatona avokoa ny biraon’ny Ladoany rehetra 19 misy satria saika mpikambana ao anatin’izany sendika izany avokoa ny 95%-n’ny mpiasa amin’ny ankapobeny. Tsy hisy ny « service minimum » fanao amin’ny tranga toy itony.
Ragasy : Mety hampiaka-bidy vidin’entana amin’izao vaninandro fety izao ity toejava-misy ity ary mety hampidi-doza eo amin’ny fiakaran’ny tahan’ny sakafo ho tratran’ny “lany daty” koa etsy anilan’izany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.