Actualités

Mpiasan’ny Kominina Toamasina I Mitokona fa tsy nahazo karama


  • Alakamisy 20 Novambra 2014

Nanomboka omaly maraina ary tsy fantatra hatramin’ny oviana, ny fitokonan’ny mpiasa eo anivon’ny kaominin’i Toamasina ambonivohitra noho resaka tsy fahazoana karaman’ny mpiasa volana oktobra.

Nakaton’ny mpiasa ny lapan’ny Tanàna, tsy nisy mpiasa afaka niasa omaly tontolo ka na ireo hikarakara taratasy momba ny fiainany, tahaka ity tovovavy efa bevohoka hikarakara taratasy fanambadiany sy ireto fianakaviana maty havany ho entina any Brickaville nifanena tamin’ny mpanao gazety, dia samy niveri-maina avokoa ary samy velon-taraina ihany koa. Ho an’ny mpiasa dia tsy misokatra ny lapan’ny tanàna sy ny birao rehetra raha tsy azo ny karaman’izy ireo. Ho an’ny PDS Toalina Zafindrabary kosa dia tsy misy azon’ny kaominina atao satria ratsy ny fidiram-bola tato ho ato ka tsy tratra ny vola tokony hatokana amin’ny karaman’ny mpiasa; mbola nohamafisiny koa fa zon’ireo mpiasa ny mitokony ka manaja izany ny mpitantana ny kaominina. Ny zava-misy anefa dia misy amin’ireo mpiasan’ny kaominina no tsy mivaky loha amin’izao grevin’ny mpiasa izao, satria na misy ny karama na tsia dia avo 02 hatramin’ny 10 henin’ny tena karamany ny “bizina” ataon’izy ireo amin’ny asany andavanandro, indrindra ireo mpanangona hetra an-tsena. Efa manomboka ny fifampiresahan’ny PDS sy ireo mpiasa, ka ho hita eo ny fivoaran’ny raharaha manomboka anio, izay ny mpila raharaha amin’ny kaominina amin’ny fiainany no miharitra ny fitokonan’ny mpiasa, izay sady tsy nampandre ny vahoaka no tsy misy fiandrasan-draharaha.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT