Mpiasa niisa 16 no voaroaka na tsy nohavaozina ny fifanarahana arak'asa teo aminy sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra, araka ny notapahina tao anivon'ny CODIS (Conseil de discipline) ny zoma 2 septambra teo.
Ny 14 tamin'ireo no sarona nampiasa diplaoma hosoka. Fahadisoana hafa kosa no antony nandroahana ireo mpiasa roa ambiny. Taorian'ny fanamarinana nataon'ny sampandraharaha misahana ny famoahana diplaoma no nampiantsoana azy ireo niatrika ny CODIS. Heloka bevava tsy azo leferina ny fampiasana diplaoma sandoka, ary samy tompon’andraikitra tsy afa-miala na ny mpanamboatra na ny mpandray ny hosoka, hoy hatrany ny kaominina. Izao fepetra izao noraisina moa dia ho fampiharana ny mangarahara sy ny fanjakana tsara tantana izay atomboka eo anivon’ny fitantanana ny tanànan'Antananarivo Renivohitra. Tsy marina, hoy hatrany ny kaominina ny fanelezana vaovao fa miisa 100 ireo mpiasa noroahina tao amin’izy ireo. Notsindrian’izy ireo kosa anefa fa nahatratra 21 ireo mpiasa nandalo CODIS hatreto.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.