Actualités

Mpiasan'ny Jirama mitsirika kaontera Tsy maintsy manana taratasy mazava


  • Sabotsy 23 Aprily 2016

Betsaka ireo olona mitaraina noho ny afitsok'ireo mpiasan'ny Jirama tonga mijery kaontera any an-trano amin'izao fotoana izao.

 

 Tsy mijanona ho indray mandeha isam-bolana mantsy izany fa efa mahatratra in'efatra isam-bolana mihitsy ho an'ny faritra sasany eto an-drenivohitra, araka ny fitarainana voaray. Raha ny fanadihadiana natao teo anivon'ny Jirama dia nambaran-dRandrianarison Feno tompon'andraikitry ny serasera ao aminy fa tsy mandeha matetika any an-tranon'olona izany ireo tena mpiasan'ny Jirama fa misy fotoanany. Tokony hanana “ordre de mission” na taratasy mazava maniraka azy ireo hanao io asa io  ihany koa izy ireny, hoy izy ary zon'ny tompon-trano  ny mitaky sy mijery izany vao mampandroso azy, miaraka amin'ny “badge” manamarika fa mpiasan'ny Jirama marina izy. Mampitandrina ireo tokantrano lalovan'ireo milaza ho mpiasan'ny Jirama matetika ity tompon'andraikitra ity sao sanatria sendra ny mpisoloky. Ekena fa afaka misava kaontera ny mpiasan'ny Jirama saingy tampoka izany ho an'ireo faritra hahenoana fitarainana misy mangala-drano na jiro ankoatra ireo lalovan’ny fisavana toy ny mahazatra.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT