Taorian`ny fanmbarana nataon`ny mpiasan’ny fananantany ny herinandro lasa teo, nisy ny fihaonana tamin`ny ekipan`ny minisitra tompon’andraikitra (Staff) ary nisy ny marimaritra iraisana tamin`ny roa tonta.
Taorian`ny fihaonana anefa toa tsy mbola nisy fiantsoana hatramin’izao avy amin`ny staff. Nanazava ny sendikan`ny fananantany fa amin`ny alalan`ny mpisolovava ny minisitera no hifampiresahana. Nisy ny vaovao azo avy amin`ilay mpisolovava saingy tsy voavaha hatreto ny olana. Raha ohatra tsy mahazo fahafahana vonjimaika ireo naman`izy ireo dia hanao fanambarana anio. Nohamafisin`ny sendika fa tsy anjaran`izy ireo ny manenjika olona fa mitaky kosa ny fitovian`ny rehetra eo anatrehan`ny lalàna, indrindra ho an`izay voakasik’ireo raharaha ireo sy ny tompon’andraikitra voalohany ao anatin`io. Misy atidoha mikotrika miketrika an`io zavatra io, izay vao ny mpivarotra sy ny mpividy, hoy hatrany ny fanazavana. Ny tanim-panjakana vao mihoatra ny 10 ara dia andraikitry ny minisitra miahy ny fananantany no manasonia ny taratasim-pifanarahana sy manapa-kevitra ka tompon’andraikitra voalohany ny minisitra amin`io rahraraha io nefa izy tsy vaoatsara. Hatramin`ny omaly, ny asa rehetra dia mandeha eo anivon`ny fananantany fa tsy misy fanapahan-kevitra noho ny fiandrasana datin`ny fitsarana. Hisy ny fepetra horaisin`izy ireo anio raha toa ka tsy mivaha ny olana. Andrasana ny tohin`ny raharaha.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.