Notanterahina teny amin’ny Lapan’ny tanŕna Analakely omaly zoma 18 mey 2017 maraina ny fihaonana teo amin’ny talen’ny sampandraharaha misahana ny mpiasa,
ny talen’ny sampan’ny fitantanam-bolan’ny kaominina sy ireo solontenan’ny mpiasa misotro ronono teo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Niara-nahita vahaolana ny roa tonta ka hisy ny atao hoe : « Planning de paiement » vaovao. Niova hevitra anefa ireo mpisitraka ny fisotroan-dronono taorian’ny fifanarahana ny volana aprily lasa teo. Hatao lisitra indray izay olona tokony handeha hisotro ronono miainga avy amin’ireo mpiasa hatrany. Arakaraka ny « vague » no hitsinjarana ireo olona 120 misotro ronono. Mahakasika ny « Primes » angatahan’ny Sendikan’ny mpiasa kosa indray dia tsy karama velively izy io fa fankasitrahana omen’ny kaominina ny mpiasa saingy miankina amin’ny fahefamahefan’ny CUA, araka ny fanazavan-dRandriamasinoro Tahiry . Ny fangatahana « Prime » volana jona sy desambra 100 isan-jato dia sarotra ho an’ny kaominina amin’ny maha volam-panjakana azy. Ankoatra izay dia mpiasan’ny kaominina 200 no efa noroahina noho ny tsy fanarahan-dalàna.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.